arpm_logo

Autorité de Régulation des Marchés Publics


ARMP

TENIN-DRAMATOA TALE JENERALIN’NY MANAMAHEFA MPANDRINDRA NY TSENAMBARO-PANJAKANA (ARMP)



Tompokolahy sy Tompokovavy,
       

Heritaona izay no lasa taorian’ny hetsi-bahoaka ho amin’ny Fanavaozana teto amin’ny Firenena. Dingana maro no efa vita saingy mbola betsaka ireo ezaka miandry raha ny sehatry ny tsenambaro-panjakana manokana no horesahina.

Mazava ny vina

Hampiasa am-pahombiazana sy am-pitandremana ny volam-panjakana mba ho fampandrosoana ny toekarena, ho famoronana asa ary ho fanatsaràna ny faripiainan’ny olom-pirenena.

Tsikaritra fa tsy ampy ny manova ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny tsenambaro-panjakana. Mba ahatratrarana ny tanjona dia ilaina koa ny manatsara ny fomba fiasa. Izany no antony nananganana rafitra vaovao, tsotra kokoa, ary mora idiran’ny mpisehatra rehetra, nefa mijoro hatrany amin’ny mangarahara ho an’ ny fifaninanana ara-drariny

Natao laharam-pahamehana ny fahazoan’ny rehetra misitraka ny tsenambaro-panjakana. Anisan’izany ny fanamoràna ny fandraisan’anjaran’ ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME). Rehefa misokatra kokoa ny tsena dia mitombo ny fifaninanana, mivelatra ny fandraharahana ary mihamaro ny fahafahana mamorona asa. Zava-dehibe izany ho an’ny toekarena, izay iankinan’ny firoboroboan’ireo orinasa ireo.

Etsy ankilany, tsy ny fanarahana ny dingana sy ny fomba fiasa ihany no tokony ho refesina. Zava-dehibe noho izany ny vokatra. Tokony hahazo ny kalitao tsara indrindra mifanaraka amin’ny vola laniana isika mba ho antoky ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny fifanarahana. Ambonin’izany rehetra izany, kendrena ny hahatonga ny fandaniam-bolam-panjakana hiteraka tombontsoa azo tsapain-tanana ho an’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka.

Ady amin’ny kolikoly

Mifamatotra amin’ireo ezaka goavana voatanisa etsy ambony ireo ny ady amin’ny fifanoheran-tombontsoa sy ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny tsenambaro-panjakana. Hamafisina ireo rafitra hahafahana misoroka, mamantatra ary manafoana izany. Fototry ny fahatokisan’ny mpandraharaha sy olom-pirenena ny mangarahara sy ny fahitsiana. Ka io fahatokisana io no iray amin’ireo antoka hahombiazan’ny rafitra.

Tanjona arak’izany ny hananana tsenambaro-panjakana mahomby, mangarahara, mampifaninana ary mahasoa ny daholobe. Sehatra manome lanja ny kalitao, mampiroborobo ny fifaninanana malalaka, miaro ny fampiasana madio sy mangarahara ny volam-panjakana ary manova ny fandaniana hitondra vokatra mivaingana eo amin’ny fiainan’ny mponina.

Fanamby sy laharam-pahamehana hifotoratsika ireo izay niainga amin’ilay lalatsaina hoe : « Ny Ariary tsirairay lanin’ny Fanjakana dia Ariarin'ny vahoaka ka tsy maintsy azo refesina ny vokatra aterany, azo tsapain-tanana ny fiovana entiny ary hita taratra mivantana eo amin’ny faripiainan’ny mponina ny tombontsoa azo avy aminy ».



RAHETLAH Herilala

ANTI-CORRUPTION




Le Journal des Marchés Publics


JMP édition spéciale numérique N°178
• • • • • • •
Sept 2024

Détails

  • mef
JMP édition spéciale numérique N°177
• • • • • • •
Août 2024

Détails

  • mef
JMP N° 176
JMP édition spéciale numérique N°176
• • • • • • •
Juillet 2024

Détails

  • mef
ARMP

L’«Autorité de Régulation des Marchés Publics»
est un Établissement Public à caractère administratif doté de la personnalité morale, jouissant de l’autonomie administrative, technique et financière, et placé sous tutelle budgétaire et financière des Ministères chargés des Finances et du Budget. L'ARMP a été créée suivant DECRET N°2005-215.

Décret 2005-215 portant organisation et fonctionnement de l'ARMP Télécharger

ACTUALITES




LE JOURNAL DES MARCHES PUBLICS
(JMP)

JMP édition spéciale numérique N°177
• • • • • • •
Août 2024

Détails

  • mef
JMP N° 176
JMP édition spéciale numérique N°176
• • • • • • •
Juillet 2024

Détails

  • mef
JMP édition spéciale numérique N°175
• • • • • • •
Mai 2024

Détails

  • mef

AVIS
SPECIFIQUE

Avis spécifiques

Appel d'offre
et
consultation de prix

• • • • • • • • • •
• • • • • • • • • •

Avis spécifique        

Détails

  • mef

AVIS D'ATTRIBUTION

avis D'ATTRIBUTION

Appel d'offre et consultation de prix

• • • • • • • • • •

Avis d'attribution

Détails

  • mef


BENEFICIAIRE EFFECTIF

avis D'ATTRIBUTION

Déclaration de l'identité des bénéficiaires effectifs de marchés publics n° 01/MEF/ARMP/2023 du 24 Mars 2023



ATELIER FORMATION


Copyright©2022 Équipe de la DSI ARMP.